Tantarana tovovavy iray izy ity ary seho vao tsy ela akory. Efa ela ity tovovavy iray, eo amin’ny 25 taona eo, no naniry hisy haka vady. Raha ny endrika ivelany aloha dia efa samy nanontany tena avokoa ny olona manodidina azy hoe fa maninona àry izy no tsy mety mahita vady. Tsy dia niafina tamin’ny rehetra rahateo izany fikasany izany noho ny fiezahany isan’andro mba hahatrarany izany. Maro ihany koa ireo fikambanana nidirany ary efa faritra maro no noteteziny teto amin’ ny Nosy…sao mba ahitana izay sahaza hono. Somary malahelo izay izy rehefa misy namany nitovitovy taminy kanefa nisy nampakatra ho vady. Mba meteza kosa ho eo amin’ny toerany e! Mety tena narary azy tokoa izany.
Indray andro anefa dia niseho,niteny teo imasom-bahoaka maro izy. Matetika dia toy izany foana ny asany, fa ity indray mitoraka ity kosa dia sady tsy asa no efa saika tsy nanaiky izy. Nandritra io fotoana io dia nisy renim-pianakaviana iray nandinika azy ary nampiansto azy rehefa vita ny zavatra nataony. Tsy nisy nanam-po fa io ramatoa io dia nilaza taminy fa mana-janaka Malagasy mipetraka any am-pita any mitady vady. Rehefa nandeha teo ny resaka dia raikitra àry fa nanaiky ramatoakely, tafahoana rahateo ny tia sy manina. Herinandro monja taty aoriana dia vita teto an-tanindrazana ihany sy soratra rehefa niverina taty nandao ny asany vetivety ilay tovolahy. Fotoana fohy taorian’izay ihany koa dia nahazo tapakila hamonjena ny vadiny ratovovavy. Vadiny satria efa vita hatramin’ny fanomanana ny mariazy izay hatao any am-pita sy ny trano hiarahan’izy roa mipetraka. Eto dia meteza indray ho eo amin’ny toerany! Hafaliana angamba ny azy tsy nisy ohatr’izany an,NAHAZO VADY IHANY tsinona ka!
Maro ny tantaram-piainana hafakely sy mahavariana tahaka izany ary manome lesona maro ireny. Na dia tsy tanteraka eo no ho eo aza ny faniriana iray, na dia mampiharitra ny mafy aza, dia aza adino fa tsy maintsy ho tanteraka aminao foana izany raha sahaza anao. Mety tsy ho arakaraky ny nieretreretanao azy mihitsy aza, ny olona rahateo samy mendrika hahazo tsaratsara noho izay nofisiny avokoa!



milay kosa izany an. mba teneno za rehefa misy occasion ahafahana miteny imasom-bahoaka sy mahita ny sahaza e! hihi. tonga dia tiany ve izany ilay zanaky le ramatoa. sa nampisehony sary dia hoe tafahaona ny tia sy ny manina?
karenichia< ts manakiv ky za f jcrw pa tro ke la mem istoir pourai se répeter 2 foi:-p courage e, ptet ke pr toi, csera otrmt miraculeuz!hi!