Fiteny matetika izany hanesona olona mamo,mirediredy sy miteniteny foana noho ny toaka. Angaha koa moa tsaroan’ilay mamo akory hoe nataon’ny olona izany izy e! Izany eo ihany fa ity toaka ity marina ange ka tena lasa olana iray goavana amin’izao e, indrindra moa ho an’ny tanora. Toa izay tsy misotro indray àry no tsy maharaka sy tsy mahay noho ny hafa. Inona anefa no maharatsy izany e?Tsy mamela mahazo aloha raha ny toaka e, tratrany amin’ilay manandrakandrana voalohany iny tsy mety misaraka aminy intsony. Na dia tsy mitady foana aza dia isaky ny mahita dia tsy maharitra fa misotro ihany, mandray kely hono! Raha izay tokoa moa mety tsy dia haninona ihany fa ity tsy mahay mametra ity no tena mandreraka! Rehefa izay mantsy no mitranga dia baikon’ ny toaka fotsiny avy eo, ampiteneniny dia miteny tokoa, tsy mahatsiaro ny tenany intsony , mety hahavita zavatra hanenena mihitsy. Noho izany tsy dia tsara loatra ny toaka rehefa tafahoatra!
Inona izany no mahatamana ny olona amin’ny toaka? Maro ny mihevitra fa manome fahasambarana ny misotro azy. Araka ny siansa dia manome fahatsapana sy fahitana hafa miala amin’ny mahazatra izy, izany hoe: hallucinations, saingy mandalo ihany izany. Misy koa ireo mihevitra ny tenany ho mafy be rehefa avy nandraindray kely, dia hoe matahotra azy daholo izany izay mifanena aminy rehetra! Ao koa ireo izay voadonan’ny fiainana, tsy mahita aleha instony dia mivary lavo hoy ny fitenenana. Amin’ny ankapobeny dia fitadiavana fahatsapana na sensation hafa ankoatry ny isan’andro no hitiavan’ny olona ny toaka.
Hasambarana vetivety, mety hanenenana no vidiana lafo eo am-pisotroana toaka tafahoatra. Ny vola very, ny olana tsy mihena, ny tena marary… izany ve no tokony hatao fitady?
Fampieritreretana izany ho an’izay mbola voakasika ary fampitandremana kosa ho an’izy mbola tsy tafiditra.



Tena marina izany fa aza adino fa tsy ny tenanao sy ny fiainanao ihany no mety simban’ny toaka fa ny manodidina anao ihany koa dia mety ho simba, indrindra fa ny ao antranonao.
Matetika tokoa dia everin’ny sasany fa izay tsy msotro dia sarimbavy, nefa ry zareo msotro no tena izy no sady tia tena satria tsy manao zavatra sy miatrika fiainana ra tsy mandray kely alo!