Pati et toi!

on ne vit qu’une fois

Foza orana avril 26, 2008

Classé dans : social — patiettoi @ 3:42

Raha misy angamba ny hoe taonan’ny inona ny 2008 dia izaho hiteny hoe taonan’ny foza orana :-) Nalaza ry reto izany fiteny izany tato ho ato an! Ho anareo tsy eto Dago aloha, raha amin’ilay mbola tsy maharaka koa dia nalaza be tamin’ ny vaovao taty fa rakotra foza orana ny tanimbary taty! Teny an-tsena aza moa efa feno an’izany eny amin’ny mpivarotra rehetra, ny sasany aza angamba tsy mbola nivarotra hatramin’izay niainany fa nahita ny foza orana dia nanokona tsena teny amoron-dalana! Andro vitsivitsy taorian’izay dia navoaka tamin’ny vaovao amin’izay fa hofongorina ny foza orana fa simba ny voly, marary izay mihinana ary feno mpivarotra azy eraky ny sisin-dalana rehetra!

Fa ny tena mampihomehy dia rehefa tsy nisy intsony ny mpivarotra azy dia lasa fiteny farak’izay malaza ny hoe foza orana, ny nahazo surnom an’izany moa dia efa tsy tenenina intsony! Ny sasany indray dia izay zavatra malaza sy fahita betsaka rehetra dia foza orana daholo ny anarany! Ny tena nalaza koa dia ilay téléphones en promotion amin’izao (izay tsy ho teneniko ny anarany fa efa kobonareo ihany) dia mbola foza orana ihany koa ny fiantso azy, ny hiran’ny sasany tsy tenenina intsony hoe impiry voatonona ao izany! Mahagaga an, raha nisy ny terme lasa nalaza indrindra dia ity foza orana foza orana ity! Hatramin’ny nandrarana azy kosa aloha dia efa mandeha tsara ny lutte contre les foza orana e!hi! tsy dia misy intsony ny mpivarotra azy ary tsy misy intsony mihitsy koa ny mihinana azy!

Tsy hay hoe ho taonan’ny inona indray aloha ny 2009 fa hatreto aloha dia mbola izay no malaza! Okay ary ry foza orana isany an :-)

3 Responses to “Foza orana”

  1. sysmd Says:

    veillez visitez sysmd.wordpress.com

  2. Kraky sy fantsy Says:

    Raha misy angamba ny hoe taonan’ny inona ny 2008 dia izaho hiteny hoe taonan’ny foza orana :-) Nalaza ry reto izany fiteny izany tato ho ato an! Ho anareo tsy eto Dago aloha, raha amin’ilay mbola tsy maharaka koa dia nalaza be tamin’ ny vaovao taty fa rakotra foza orana ny tanimbary taty! Teny an-tsena aza moa efa feno an’izany eny amin’ny mpivarotra rehetra, ny sasany aza angamba tsy mbola nivarotra hatramin’izay niainany fa nahita ny foza orana dia nanokona tsena teny amoron-dalana! Andro vitsivitsy taorian’izay dia navoaka tamin’ny vaovao amin’izay fa hofongorina ny foza orana fa simba ny voly, marary izay mihinana ary feno mpivarotra azy eraky ny sisin-dalana rehetra!

    Fa aza adino koa fa tamin’iny taona 2008 iny koa no nanjakan’ny Andry RAJOELINA zay lazain koa hoe FOZA ORANA

  3. boul25 Says:

    2009 lasa fajakan’ ny foza orana ry anona a hihi

Leave a Reply