Pati et toi!

on ne vit qu’une fois

avril 26, 2008

Classé dans : côté jeune — patiettoi @ 4:04

Les adolescents de l’océan indien: c’est le thème que l’ODEROI ou l’obsérvatoire des droits des enfants dans la région de l’océan indien pour cette année, après sa précedente étude: la violence envers les enfants, toujours dans l’océan indien bien sur! En bref, l’étude a été très réussie et cerne tous les thèmes qui peuvent intéresser et concerner les jeunes du jour! Le lancement officiel a été fait le 16 Avril dernier avec la présence des autorités concernées et quelques jeunes! Lors de cette journée, on a eu plusieurs manifestations culturelles faites par les jeunes invités, des expositions et aussi une cérémonie formelle pour la présentation! Le 23 Avril, une semaine après le premier lancement, se faisait le second lancement à Iavoloha. On encore eu la présence de plusieurs jeunes pendant cette journée de lancement! C’était une journée de travail pour les invités, une journée d’atelier où les jeunes ont pu exprimer leurs souhaits et monter leurs propre plan d’action pour l’atteinte des défis présentés dans l’étude!

Toujours concernant l’étude, beaucoup d’approches ont été prévues pour la faire connaître à tout le monde, surtout les jeunes qui en sont les premiers concernés. Des films, des petits reportages, des interviews un peu partout auprès des jeunes ont été faits et sont publiés en ce moment dans les sites et chaînes TV partout dans la région!

En tout, cette étude est très intéressante et complète, d’après moi! C’est une très bonne initiative et très utile aussi! En plus, elle donne librement la parole aux jeunes et sert de matière de conscientisation, aussi bien pour les jeunes que pour les moins jeunes!

 

Foza orana avril 26, 2008

Classé dans : social — patiettoi @ 3:42

Raha misy angamba ny hoe taonan’ny inona ny 2008 dia izaho hiteny hoe taonan’ny foza orana :-) Nalaza ry reto izany fiteny izany tato ho ato an! Ho anareo tsy eto Dago aloha, raha amin’ilay mbola tsy maharaka koa dia nalaza be tamin’ ny vaovao taty fa rakotra foza orana ny tanimbary taty! Teny an-tsena aza moa efa feno an’izany eny amin’ny mpivarotra rehetra, ny sasany aza angamba tsy mbola nivarotra hatramin’izay niainany fa nahita ny foza orana dia nanokona tsena teny amoron-dalana! Andro vitsivitsy taorian’izay dia navoaka tamin’ny vaovao amin’izay fa hofongorina ny foza orana fa simba ny voly, marary izay mihinana ary feno mpivarotra azy eraky ny sisin-dalana rehetra!

Fa ny tena mampihomehy dia rehefa tsy nisy intsony ny mpivarotra azy dia lasa fiteny farak’izay malaza ny hoe foza orana, ny nahazo surnom an’izany moa dia efa tsy tenenina intsony! Ny sasany indray dia izay zavatra malaza sy fahita betsaka rehetra dia foza orana daholo ny anarany! Ny tena nalaza koa dia ilay téléphones en promotion amin’izao (izay tsy ho teneniko ny anarany fa efa kobonareo ihany) dia mbola foza orana ihany koa ny fiantso azy, ny hiran’ny sasany tsy tenenina intsony hoe impiry voatonona ao izany! Mahagaga an, raha nisy ny terme lasa nalaza indrindra dia ity foza orana foza orana ity! Hatramin’ny nandrarana azy kosa aloha dia efa mandeha tsara ny lutte contre les foza orana e!hi! tsy dia misy intsony ny mpivarotra azy ary tsy misy intsony mihitsy koa ny mihinana azy!

Tsy hay hoe ho taonan’ny inona indray aloha ny 2009 fa hatreto aloha dia mbola izay no malaza! Okay ary ry foza orana isany an :-)

 

Safidy avril 26, 2008

Classé dans : sentiments — patiettoi @ 3:04

Samy manana ny làlana efa voasoritra ho azy hono ny olona tsirairay eo amin’ny fiainana. Ny tena sarotra anefa dia ilay rehefa tojo sampanana satria eo ilay tsy maintsy misy SAFIDY ATAO! Tsy vitsy ireo izay manenina hoe : “raha mba ny iray izao no nizorako, nalefako, nosafidiako, …”. Izay indray no antsoina hoe nenina.

Ahoana izany misafidy? Zavatra na olona mihoatra ny iray no isafidianana. Misy ny safidy no tsy maintsy atao, sady miankina feno amin’iny matetika ny tohin’ny làlana izorana, noho izny dia ilaina ny mieritreritra tsra rehefa eo, manao fampitahana raha ilaina.Azo atao koa ny manontany ireo izay efa zatra na mahay, izny hoe ny olona izay efa nandalo taminb’izy iainanao!

Misy ihany koa ny safidy izay tsy voatery atao fa mety mitaky herimpo be sy faharetana kosa anefa ho valin’izany.Mety ho araky ny sain’olombelona ihany indraindray ilay manenjika zavatra roa samihafa ka tsy dia mipetraka loatra ilay fisafidianana.

Dia raha diso safidy?

Zavatra tsy miala amin’ny olombelona ny fahadisoana. Mety hisy fiantraikany goavana anefa izany, izany hoe miankina amin’ny haben’ilay fahadisoana ny vokany. Raha safidy tokana, tsy afaka averina intsony moa ilay natao dia izay vao tena hahatsapa ny olona iray fa very tanteraka ary eo ilay nenina sy ilay “tahak’izay”.

Aza adino àry fa tsy natao ho azo daholo akory izay irian, tsy misy ny safidiana ary tsy maintsy misy ny afoy. Koa mahaiza tsara misafidy ny tahak’izay sy ny tsy misy ange hono mitovy ihany e! 

 

Io fitiavana io ihany avril 26, 2008

Classé dans : sentiments — patiettoi @ 2:43

Rehefa ilay voadom-pitiavana iny ny olona iray dia mametraka fanontaniana be dia be ao an-dohany ao, tongatonga saina tsara dia somary manenina indraindray, mahatsiaro marary sy maratra! Fa inona tokoa ilay fitiavana e? Misy karazany firy izy, toa sady mahay mampijaly no mahay mahasambatra?

Inona no atao hoe fitiavana?

Raha famaritana dia tsy mbola nisy ny hoe nianarana na marimaritra iraisana fa samy manana ny hahafantarany azy ny tsirairay. Fihetseham-po izy io, misy karazany 3, fa ny fitiavana HEROS na fifankatiavan’ olon-droa no resahantsika betsaka eto. Eo amin’ny fotoanan’ny fahamaotiana no aniriany matetika, izany hoe 12-15 taona eo, amin’ny ankapobeany izany! Tia olona iray ianao rehefa mahatsiaro fa sambatra sy voaaro eo anilany, rehefa miaraka aminy. Tianao koa izy matoa mahatsiaro fahabangana iray tsy azo azavaina izay ianao rehefa tsy eo izy! Tsy mifidy tavan’olona na saranga ny fitiavana fa rehefa mitsiry izy dia sarotra vonoina, indrindra moa fa raha hoe noterena hitsiry alohan’ny fotoana izy!

Fa maninona ny fitiavana no malaza sy manan-danja be eo amin’ny fiaraha-monina?

Malaza izy satria zavatra tsy azo lavina, misy amin’ny olombelona tsirairay. Manan-danja koa izy satria tsy vaivazy na kilalao, tsy azo amboarina na foronina tahaka ny hatezerana, ny alahelo na ny hafaliana izy fa voajanahary. Saingy azo atao ny mampandefitra azy amin’ny fotoana ilaina izany.

Ny olana tena mpitranga eo amin’ny fitiavana dia ilay hoe tiako nefa tsy tia ahy, tia ahy nefa tsy tiako. Eo koa ny olana eo amin’ny manodidina sy ny fiaraha-monina. Tsy lavina fa olan’ny fitiavana ihany koa ny fampirafesana na fitiavana olona iray hafa mihoatra noho ilay efa miaraka aminao! Tsy voatanisa fa maro ny zavatra mateti-pitranga ao anatin’ny fitiavana: hasambarana, hafaliana, sedra samihafa, fahasahiana, fifandeferana, fifamonjena, indrindra moa ny ranomaso rehefa tena tafalatsaka.

Hatraiza ny fetran’ny fitiavana?

Tsy mety hanam-petra mihitsy ny fitiavana satria ny olona tia dia tsy mety ho afa-po mihitsy! Anjaran’ny tsirairay fotsiny no mametraka ny faritra tsy azony hihoarana sy tsy ho zakany intsony.

Ny toetra mampiavaka azy

Manana fahavalo maro izy, rehefa mifankatia dia tsy mifandainga.Matetika ny fitiavana dia manana toetra mampanenina izay koa, kanefa  « l’amour c’est comme la santé, on n’en connait la valeur que quand on le perd »!

Noho izany, tsy ratsy akory ny mitia, ny olombelona rehetra rahateo dia samy mila fitiavana avokoa ary tsy hisy mety ho afa-po mihitsy, mahaiza fotsiny mametraka fetra ho an’ny fitiavanao!

 

 

Io ry toaka a! avril 26, 2008

Classé dans : social — patiettoi @ 2:42

Fiteny matetika izany hanesona olona mamo,mirediredy sy miteniteny foana noho ny toaka. Angaha koa moa tsaroan’ilay mamo akory hoe nataon’ny olona izany izy e! Izany eo ihany fa ity toaka ity marina ange ka tena lasa olana iray goavana amin’izao e, indrindra moa ho an’ny tanora. Toa izay tsy misotro indray àry no tsy maharaka sy tsy mahay noho ny hafa. Inona anefa no maharatsy izany e?Tsy mamela mahazo aloha raha ny toaka e, tratrany amin’ilay manandrakandrana voalohany iny tsy mety misaraka aminy intsony. Na dia tsy mitady foana aza dia isaky ny mahita dia tsy maharitra fa misotro ihany, mandray kely hono! Raha izay tokoa moa mety tsy dia haninona ihany fa ity tsy mahay mametra ity no tena mandreraka! Rehefa izay mantsy no mitranga dia baikon’ ny toaka fotsiny avy eo, ampiteneniny dia miteny tokoa, tsy mahatsiaro ny tenany intsony , mety hahavita zavatra hanenena mihitsy. Noho izany tsy dia tsara loatra ny toaka rehefa tafahoatra!

Inona izany no mahatamana ny olona amin’ny toaka? Maro ny mihevitra fa manome fahasambarana ny misotro azy. Araka ny siansa dia manome fahatsapana sy fahitana hafa miala amin’ny mahazatra izy, izany hoe: hallucinations, saingy mandalo ihany izany. Misy koa ireo mihevitra ny tenany ho mafy be rehefa avy nandraindray kely, dia hoe matahotra azy daholo izany izay mifanena aminy rehetra! Ao koa ireo izay voadonan’ny fiainana, tsy mahita aleha instony dia mivary lavo hoy ny fitenenana. Amin’ny ankapobeny dia fitadiavana fahatsapana na sensation hafa ankoatry ny isan’andro no hitiavan’ny olona ny toaka.

Hasambarana vetivety, mety hanenenana no vidiana lafo eo am-pisotroana toaka tafahoatra. Ny vola very, ny olana tsy mihena, ny tena marary… izany ve no tokony hatao fitady?

Fampieritreretana izany ho an’izay mbola voakasika ary fampitandremana kosa ho an’izy mbola tsy tafiditra.

 

 

Nahazo vady ihany avril 26, 2008

Classé dans : social — patiettoi @ 2:41

Tantarana tovovavy iray izy ity ary seho vao tsy ela akory. Efa ela ity tovovavy iray, eo amin’ny 25 taona eo, no naniry hisy haka vady. Raha ny endrika ivelany aloha dia efa samy nanontany tena avokoa ny olona manodidina azy hoe fa maninona àry izy no tsy mety mahita vady. Tsy dia niafina tamin’ny rehetra rahateo izany fikasany izany noho ny fiezahany isan’andro mba hahatrarany izany. Maro ihany koa ireo fikambanana nidirany ary efa faritra maro no noteteziny teto amin’ ny Nosy…sao mba ahitana izay sahaza hono. Somary malahelo izay izy rehefa misy namany nitovitovy taminy kanefa nisy nampakatra ho vady. Mba meteza kosa ho eo amin’ny toerany e! Mety tena narary azy tokoa izany.

Indray andro anefa dia niseho,niteny teo imasom-bahoaka maro izy. Matetika dia toy izany foana ny asany, fa ity indray mitoraka ity kosa dia sady tsy asa no efa saika tsy nanaiky izy. Nandritra io fotoana io dia nisy renim-pianakaviana iray nandinika azy ary nampiansto azy rehefa vita ny zavatra nataony. Tsy nisy nanam-po fa io ramatoa io dia nilaza taminy fa mana-janaka Malagasy mipetraka any am-pita any mitady vady. Rehefa nandeha teo ny resaka dia raikitra àry fa nanaiky ramatoakely, tafahoana rahateo ny tia sy manina. Herinandro monja taty aoriana dia vita teto an-tanindrazana ihany sy soratra rehefa niverina taty nandao ny asany vetivety ilay tovolahy. Fotoana fohy taorian’izay ihany koa dia nahazo tapakila hamonjena ny vadiny ratovovavy. Vadiny satria efa vita hatramin’ny fanomanana ny mariazy izay hatao any am-pita sy ny trano hiarahan’izy roa mipetraka. Eto dia meteza indray ho eo amin’ny toerany! Hafaliana angamba ny azy tsy nisy ohatr’izany an,NAHAZO VADY IHANY tsinona ka!

Maro ny tantaram-piainana hafakely sy mahavariana tahaka izany ary manome lesona maro ireny. Na dia tsy tanteraka eo no ho eo aza ny faniriana iray, na dia mampiharitra ny mafy aza, dia aza adino fa tsy maintsy ho tanteraka aminao foana izany raha sahaza anao. Mety tsy ho arakaraky ny nieretreretanao azy mihitsy aza, ny olona rahateo samy mendrika hahazo tsaratsara noho izay nofisiny avokoa!

 

avril 26, 2008

Classé dans : social — patiettoi @ 2:39

Zavatra vao nitranga vao haingana ity tantara ity. Tao amina efitrano fianarana ao amin’ny lycée lehibe iray eto Antananarivo no nisehoany. Tsy izany fa raha ilay atoandrotoandro mbola te hatory sy kamokamo iny daholo ny mpianatra dia nisy ireo taitra tampoka, nisy ireo tsy tapitra fihomehezana raha nahita voalavo iray tamin’ny fotoana fianarana. Ny mpampianatra izay mbola nanazava tsara ny lesona dia tsy nanam-po n’inona n’inona, tsy nieritreritra akory fa nisy voalavo iray lehibe tao ambany latabatra fampianarany. Ny mpianatra mipetraka eo aloha no nahita sy taitra voalohany ary izy ireo nikiakiaka sy niakatra teny ambony latabatra no nanaitra ny sisa rehetra. Inona àry no anton’izany tao am-pianarana? Tsy ilay voalavo kosa angamba no nanolo-tena hianatra e, isika no samy hieritreritra izay mety nahatonga izany.

Na dia hoe nilaina hanaitra ireo te hatory sy hampihomehy ny mpianatra àry ity zava-nitranga ity dia sady mahasosotra ihany no mampalahelo ny nihaino azy. Maro rahateo ny fomba azo isorohana izany, toy ny fahadiovana ohatra, mba tsy ho ny voalavo indray no hazoto alohan’ny mpianatra.

 

 

FINDAY, izay tsy manana no manenina avril 26, 2008

Classé dans : social — patiettoi @ 2:37

Isika rehetra angamba samy mahatadidy ny fotoana nahatongavan’izany atao hoe finday izany teto Madagasikara. Manam-bola, manan-karena, maharaka teknolojia, izany no fiheveran’ny olona izay nanana azy ireny ka fanamboniana tsy nisy toy izany.

Ary ankehitriny? Izay tsy manana tokoa no manenina.

Tsy mitsaha- mitombo ny karazana finday vaovao mivoaka, ny tsara indrindra hatramin’ ny mora indrindra. Ifaninana ihany koa ny famoahana finday misy izay mety ho ilain’ny olona andavan’andro mba tsy hikarohany lavitra intsony. Maro koa anefa ireo marika vaovao taty aoriana amidy amin’ny vidiny mirary dia mirary, misy mihitsy aza ireo izay efa omena fotsiny.

Iza no tsara? Ny safidin’ny finday dia miankina amin’ny olona hampiasa azy ihany. Raha hiantso sy hantsoina fotsiny ohatra no ilainy azy dia ilay tsotra indrindra dia efa mety aminy. Raha mila ankoatr’izay: fakan-tsary, mozika, internet … dia hafa indray! Miankina amin’ny fahefa- mividy ihany koa io e! Tsy mahagaga koa raha maro ny olona no tsy misafidy intsony irony finday avo lenta irony noho ny fahatahorana ireo mpanendaka sy mpangalatra, ireny tokoa mantsy no tena manintona azy ireo.

Firy taona no tokony hahazo ny finday voalohany? Mahagaga tokoa amin’izao fotoana izao fa toa izay te hanana sy afaka mividy rehetra dia mampiasa finday avokoa. Lasa fitaovana ifampideran’ ny ankizy any am-pianarana izy ireny na dia mbola maro aza ireo sekoly tsy manaiky ireny any an-dakilasy. Ny tena mety anefa dia tokony rehefa àry saina tsara ny olona iray vao hanana azy ireny.

Mampaditra?! Maro ihany koa ireo ray aman-dreny no milaza fa ny finday no mampaditra ny zanany. Tsia! Tsy ny finday no mampaditra fa mety hanitatra sy hampitombo ny ditran’ilay ankizy kosa anefa izy ireny.

Safidy ny hanana na tsy hanana finday amin’izao vanim-potoana izao, safidy ny endriny sy ny asany, ary arakaraky ny fahefa-mividy sy ny fitiavana koa. Andraikitry ny ray aman-dreny kosa anefa ny mahafantatra ny zanany raha tokony hanana finday izy na tsia ary indrindra ny manara-maso azy matetika, tsy manao izay hampihantana be loatra ny ankizy fotsiny!